Sport

Atletisma Malagasy Nahazo fankatoavana tamin’ny AGO


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Tontosa teny amin’ny INFRA Alarobia tamin’ny sabotsy 01 jona 2019 teo ny AGO “Fivoriambe ara-potoana” 2019 an’ny FMA

 

 

 

  “Federasiona Malagasin’ny taranja Atletisma” notarihan’ny filohany Rtoa Norolalao Andriamahazo. Taorian’ny fihainoana  ny tatitra  nataon’ny FMA dia niroso tsirairay tamin’ny fanaovany tatitra ny zava-misy tany aminy koa ireo ligim-paritry ny Atletisma 11 amin’ny 12 misy afa-tsy ny ligin’i Boeny izay tsy tonga. Nanome fankatoavana ny FMA ny ankamaroan’ireo ligy 11 ireo ary nankato ihany koa ny volavolana fanitsiana ny statut an’ity Federasiona ity, indrindra ny “Code d’éthique”, araka ny tolo-kevitry ny IAAF “Federasion’ny Atletisme Maneran-tany”.  Nomarihan-dRtoa Norolalao Andriamahazo ihany koa taorian’io AG io fa : “nitombo ny fianakaviambe ny atletisma Malagasy fa tafatsangana ny ligy roa vaovao dia V7V izay misy seksiona 2, Vohipeno sy Manakara tarihin’ny filohany Tata Ahmed Jacquis sy Anôsy misy an’Amboasary sy Taolagnaro tarihan’i Bravo Jean Bosco. Lasa 14 izany ankehitriny ireo ligin’ny taranja Atletisma Malagasy : Matsiatra Ambony, Atsimo andrefana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra mangoro, Amoron i Mania, Ihorombe, Bongolava, DIANA, Boeny, Atsinanana, V7V ary Anosy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT