Sport

Atletisma Mahavelom-bolo ny vitan'i Sidonie sy Claudine


  • Alarobia 24 Mey 2023

Raha mbola variana amin'ny fanomanantena any Sina ny atleta malagasy izay tsy dia handrenesam-peo firy dia

nivoaka tamin'ny fahanginany ireo roa vavy miofana ao amin'ny Toby ao Dakar dia i Sidonie Fiadanantsoa sy Claudine Njarasoa . Nandray anjara tamin'ny fifaninanana ho an'ireo klioba any Lafrantsa mantsy izy mirahavavy ireto ary samy nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny sokajy misy azy I Sidonie aza dia nahavita nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra satria dia 13 segondra 02 no nanaovany ny 100 metatra misy fefy I Claudine indray dia nahavita fotoana tsara teo amin'ny 100 m. 11 segondra sy 69 no nahazoana voalohany ary nabdreseny ireo Frantsay roa dia Elise Toucher sy Tessier Raza. Raha ny zava-bitan'izy roa ireto moa dia azo antoka ny medaly volamena mandritry ny Lalaon'ny Nosy saingy tsy izay no tena tanjona fa ny ahatompodakan'i Afrika ka hitondra azy ireo any amin'ny Lalao Olympika.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT