Sport

Atletisma – Lalaon’ny Nosy Nisalotra medaly volamena i Haja sy Elodie


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015

Andriamparany Hajanirina izay nahazo medaly volafotsy tamin’ny marathon tany Seisela ny taona 2011 no Malagasy niravaka medaly volamena voalohany any amin’ny Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 any La Réunion tamin’ny semi-marathon (21km).

 

 Mbola Malagasy koa no nahazo ny volafotsy tamin’ny alalan’i Jean de la Croix. Tao amin’ny kianja Paul Julius Bénard moa ny fiaingana sy fahatongavana. Niala an-daharana kosa Rasoarizay Clarisse izay tompon’ny anaramboninahitra tamin’ireo andiany maro teo aloha tamin’ny marathon. Ilay maorisianina Antoinette Milazar no lah-1ho an’ny vehivavy ary lah-2 nibata ny medaly volafotsy i Fanomezantsoa. Nandrombaka ny medaly volamena malagasy fah-2 i Elodie Vanessa izay lah-1 tamin’ny hazakazaka 100m vehivavy. Medaly volamena malagasy fah-3 omaly alina dia niadian’ny samy Malagasy, Olivia sy Nanie tamin’ny 10 000m vehivavy. Noverezin’izy ireo lavitra ny atletan’i Maldives hany nifaninana taminy.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT