Sport

Atletisma – Lalaon’ny nosy Niroso tamin’ny fitsapana sivana farany


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Hiditra amin’ny fampivondronana fah-3 fanomanana ny Lalaon’ny nosy ny taranja atletisma ka nisy ny fifaninanana fitsapana farany omaly natao teny amin’ny kianjan’Alarobia.


Mihena an-toerana toy ny fen’antitra ! Atleta 35 no anjaran’ity taranja ity handeha hiatrika ny Lalaon’ny Nosy hatao any la Reunion afaka roa volana. Mihena hatrany io tarehimarika io, araka ny fanamarihan’ny tale teknika nasionaly, Rakotomalala Tsiry nefa ny medaly hiadiana tsy miova. 64 mantsy ireo atleta niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny 2007, lasa 54 indray tamin’ny 2011 tany Seisela ary izao dia tafidina hatramin’ny 35 sisa. Taranja vitsivitsy no nanaovana fitsapana sivana farany omaly, teny amin’ny kianjan’Alarobia, dia ireo mbola ahitana atleta mitovitovy zava-bita mba hifantenana ireo tena mendrika. Anisan’izany ny 100 misy fefy vehivavy nisongadinan’ i Joeline (15’’01) sy Solange (15’’04). I Heritiana (9.15.00) sy  Nicolas (9.29.04) kosa teo amin’ny 3 000m steeple lehilahy. I Voahirana (11.24.06) sy i Mbola (11.35.05) no vehivavy nahery tamin’io. Nahery teo amin’ny 800m lehilahy i Ernest (11.55.06). Niady be kosa ny 400m vehivavy izay lasan’i Fanja (56’’02) ny voalohany ary  i Odile (57’’01) no fah-2. I Franck (47’’05) sy Damien (47’’07) no nahery teo amin’ny lehilahy.

Laharam-pahamehana ireo mahatifitra volamena

Sarotra ny fandidiana raha ny zava-misy satria tsy maintsy ireo azo antoka fa hahazo ny medaly volamena no laharam-pahamehana ka ny teknisianina no handroso ny lisitra hotapahan’ny mpitantana ny federasiona. Marihina fa efa nisy fampivondronana roa vitan’ity taranja ity ka tamin’ny volana desambra ny andiany voalohany ary tamin’ny fialantsasatry ny Paska ny faharoa. Efa ny 30 aprily moa no tokony ho nanomezana ny lisitra farany ary efa tara ihany izany ity fitsapana fifantenana farany ity. Ny alatsinainy izao indray no henjehina hamoahana ny lisitra farany. “Mahatsara zavatra anefa izany satria miovaova ny zava-bitan’ireo atleta ary izao hita miavaka kokoa ireo tena maharaka tsara”, araka ny fanamarihan’ny DTN Tsiry. Ankoatra ireo atleta eto an-toerana moa dia misy koa ireo atleta telo mianadahy miofana any Vosges Frantsa izay hita mivoatra sy nanatsara zava-bita avokoa toa an’i Elodie (100m, 200m), Olga (400m misy fefy), Dzaovazaha (400m misy fefy) ary i Hardy (110m misy fefy). Ankoatra ireo moa dia efa misy ireo mpila ravinahitra any Frantsa  hantsoina handrafitra ny ekipa malagasy dia i Ali Kame (decathlon) sy Eliane Saholinirina (1500m, 3000m steeple).

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT