Sport

Atletisma “Kid’s Mile Run” sy Tompondakan’i Madagasikara 2019 Nifanindran-dalana tetsy amin’ny kianjan’Alarobia omaly


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Anio alakamisy 06 jona tolakandro vao tena hanomboka ny fifaninanam-pirenena fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 taranja atletisma sokajy tanora fa omaly alarobia 05 jona aloha dia ny dinika teknika

 

 

 

nifanaovan’ny solontenan’ireo klioba handray anjara sy ny tompon’andraikitra teknika  eo anivon’ny FMA  no notanterahina teny amin’ny foibeny teny Alarobia. Fa teo amin’ny kianjan’Alarobia kosa dia nifanindran-dalana tamin’io dinika teknikan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny tanora io omaly ny hetsika “Kid’s Mile Run”  nokarakarain’ny FMA tarihan’ny filohany Rtoa Norolalao Andriamahazo ihany avy amin’ny toromarika nomen’ny Federasion’ny Atletisma iraisam-pirenena ny IAAF  “International Association of Athletics Federations” tarihan’ny filohany Sébastian Coe niangavy an’ireo federasiona mpikambana ao aminy mba hankalaza andro eran-tanin’ny fihazakazahana an-tongotra izay marihana mandritra ny herinandro nanomboka tamin’ny 02 jona teo   ka hikarakara hazakazaka “1 Mile” antsoina hoe : “Kid’s Mile Run” ho an’ny ankizy miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny Fanatanjahantena omaly alarobia 05 jona. Ankizy mpianatra lahy sy vavy nanodidina ny 80 isa avy amin’ny sekoly 3 (La pepite Colombe, Epn ary Glory) sy ivontoeram-panofanana tanora 2 (Ecoles des Athlètes Alarobia sy Ecole de foot Jet Mada) no nandray anjara tamin’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT