Sport

Atletisma Hampiantrano ny hetsika fankalazana ny andro manerantany i Toliara


  • Alakamisy 07 Mey 2015

I Toliara no hampiantrano ireo hetsika fankalazana ny andro manerantanin’ny atletisma taorian’ny tany Antsirabe sy Tsiroanomandidy. Hiaraka hikarakara ny hetsika ny federasiona malagasy sy ny ligin’Atsimo

 Andrefana mpampiantrano. Hisy toy ny mahazatra ny fifaninanana ho an’ireo katitakely antsoina hoe “Kids Athletics” ahitana ny sokajy U12, ny U15 izay natokana ho an’ireo mpianatra avy amina sekoly ary ny U17 avy amina klioba. Maro ireo taranja voalahatra hifaninanana dia ny hazakazaka 50m, 1 000m, 3 000m, ny dia maika, ny vikindava, ny tsipy fonjamby ary hazakazaka mifampitohy 4x50m. Hiaraka hamboly hazo ao amin’ny EPP Tsimenatse avokoa aloha ireo mpanatrika ny hetsika mialoha ireo fifaninanana ireo. Mbola hisy koa ny hazakazaka ho an’ireo vehivavy hampisalorana ny anarana hoe “Lain’ampela” amin’ny halavirana mirefy 2km, mianga manoloana ny biraon’ny Genie Rurale hatreny amin’ny kianjan’Andaboly mialoha ny hiakaran’ireo kilonga an-tsehatra.

Rasanda Serge

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT