Sport

Atletisma – Andro manerantany Nisongadina ny Aspenato, CEG Centre ary ny EPP Anketa


  • Talata 12 Mey 2015

Navitrika tamin’ny fandraisana anjara ireo katitakelin’i Toliara tamin’ny hetsika fankalazana ny Andro manerantanin’ny atletisma andiany fah-20 natao tao amin’ny kianja Me Kira Andaboly ny sabotsy teo. Nanjaka ny ASpenato Toliara tamin’ny fifaninanana ho an’ireo klioba

 

. Ny CEG Centre kosa no lah-1 tamin’ny fifaninanana ho an’ny sekoly izay nahazo isa 57 tamin’ireo sekoly 12 nanana solontena. Lah-2 ny Lisea Mixte Betania (isa 48) ary fah-3 CEG Ezaka (isa 40). Toy ny mahazatra dia nisy ny “Kids Athletics” ho an’ireo mpianatra bitika ka sekoly 6 no nandray anjara. Lah-1 tamin’io ny EPP Anketa, lah-2 St Therese ary fah-3 EPP Besakoa. “Tanjona amin’ity hetsika ity ihany koa ny fitiliana ireo taninketsa ankoatra ny fankalazana”, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, Andriamahazo Norolalao. Nisy ihany koa ny fiofanana ho an’ireo teknisianina ny 4-9 mey teo tany an-toerana ka mpampiofana 42 no nahazo diplaoma.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT