Sport

Atletisma-15 km de Tanà Hiverina indray 8 taona aty aoriana


  • Zoma 22 Martsa 2019

8 taona indray atyaoriana, hoy ny filohan’ny seksion’ny taranja atletisma eto Antananarivo-Renivohitra Rtoa Nivo Rakotoson,

 

 

dia haverina indray ilay hetsika 15 km de Tanà izay natao indrindra hampivondronana ny olona tsy an-kanavaka na manana na tsy manana taratasyfilalaovana ara-dalàna “licence” ao anatin’ny hazakazaka iraisan’ny rehetra. Nozaraina ho sokajy 3 miavaka tsara na izany aza ireo mpandray anjara dia ny Junior, Sénior aryVétéran lahy sy vavy avy. Hisy koa anefa etsy an-kilany hazakazaka « relais inter-établissements sy inter-entreprises ». Tsyhisy akory ny fandoavam-bola ho an’ireo mpifaninana na dia natao hanangonam-bola hamatsiana ny kitam-bolan’ity seksiona ity azy ny hetsika, araka ny nambaran-dRtoa Nivo. Etsy anoloan’ny tribonaly etsy Anosy izay ahitana fanentanana isan-karazany sy Zumba ihany koa no fiaingana ny alahady 24 martsa amin’ny 8 ora maraina ka hihazo ny CNaPS Ampefiloha, Cenam, Poste 67ha, Coum 67 ha, Boulevard de l’Europe, GalaxyAndraharo, Sanifer, Tsarasaotra, Ankorondrano, Antanimena, Gara Soarano, Hotel de Ville Analakely, Ambohidahy, Anosikely, Sénat ary miverina eo amin’nyTribonalyAnosy.Etsy amin’ny foibeny FMA etsy amin’ny kianjan’Alarobia sy eny amin’ny Lycée Privé La Pie enyManarintsoa Isotra ary eny amin’ny Caisse d’Epargne no fisoratana anarana hatramin’ny sabotsy 23 martsa ho avy izao.

 

 

NtsoavinaEvariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT