Atletan’ny Lalaon'ny Nosy

Notolorana fitaovana sy fanamiana


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Notoloran'ny Filoha Rajoelina fitaovana sy fanamiana ireo atleta hiaro ny voninahitr'i Madagasikara,

omaly tetsy amin'ny Kianja Barea etsy Mahamasina. Niavaka ireo fanamiana vitan'ny orinasa malagasy Nino ary tena tsy mena-mitahy amin'ireo vita avy any andafy sy efa malaza eran'izao totonlo izao. Samy nahazo moa ireo delegasiona malagasy rehetra ary fihaonana voalohany ho azy ireo iny omaly iny noho ny tsy fisian'ny Tanànan'ny Lalao. Fahabangana izay mbola tsy hita raha tsy izao Atao ahoana moa fa taratra eny ihany ny tsy fisian'ny COJI na ny Komity Mpikarakara izay tokony mahaleo tena tanteraka satria vondrona tsy tena miakina amin'ny fanjakana. Ny mahagaga dia ny fahadahian'ity Ministeran'ny Fanantanjahantena mampifangaro izany ary dia misalotra ny anaran'ny Minisitra sady Tale Jeneralin'ny COJI. Loza...
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT