Sport

Atleta zokiolona Nodimandry Rakototiana Jules


  • Alakamisy 29 Aprily 2010

Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany ilay atleta zokiolona Rakototiana Jules. Namiratra teo amin’ny hazakazaka lavitrezaka ny tenany, ary matetika no nitana laharana voalohany tamin’ny fifaninanana nasionaly.

Toy ny tamin’ny taona 1988, ho an’ny sokajy mihoatra ny 50 kilao amin’ny halaviran-dalana 15km, laharana voalohany izy. Nandray anjara koa i Jules ny taona 1989, tamin’ny sokajy teo anelanelan’ny 50 sy 59 taona, ka fahatelo izy tamin’ny halaviran-dalana 15km. Nitana ny laharana voalohany izy tamin’ny 15km “La vache qui rit” teo amin’ny sokajy mihoatra ny 60 taona. Tsy nahasakana an-dRakototiana Jules ny taonany fa dia nandray anjara hatrany tamin’ireo fifaninanana nasionaly tamin’ny hazakazaka lavitrezaka ny tenany. Laharana faharoa hatrany izy tamin’ny semi-marathon (21km) “La vache qui rit” ny taona 1993 sy tamin’ny taona 1997. Laharana faha-8 tamin’ny mpandray anjara 246 kosa izy nandritra ny semi-marathon Farmad ny taona 2000. Ny Cross country Fjkm Ambohimanoa Alasora ny taona 2001 no nandraisany anjara farany teo amin’ny fifaninanana hazakazaka. Nitombo ny taonany, teo ihany koa ny tsy fahasalamana izay nandazo azy an-taonany maro ary niafara tamin’izao fahafatesany izao. Manana mariboninahitra maromaro, toy ny Chevalier, Officier ary Commandeur de l’ordre national ny tenany fahavelony. Namela mananontena sy kamboty fito mianadahy Rakototiana Jules izy nodimandry izao. Rahampitso no handevenana azy eny Manazary Varahina Alasora Avaradrano, rehefa avy atao veloma farany ao amin’ny EKAR Sambiranto Tsilazaina.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT