Sport

Atleta nitondra avo ny voninahi-pirenena


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Notoloran’ny Fanjakana medaly teny Iavoloha

Natokana ho "journée des médaillés" ho an’ny sehatry ny fanatanjahantena ny 7 mey 2023, fotoana nandraisan’ny Filoham-pirenena atlta sy mpilalao ara-panatanjahantena maro teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Notolorana mariboninahitra sy marim-pankasitrahana ireo atleta namiratra, nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninana teo amin'ny kaontinanta Afrikanina sy iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2019. Anisan’izany ny taranja tsipy kanetibe, ny karate, ny tennis, ny rugby vehivavy, ny athlétisme, ny taekwondo, ny lutte sy ny judo. “Ny fandresena izay azonareo hoy ny Filoha dia fandresena ho an'i Madagasikara ary mamelona sy mampiredareda ny afon'ny hambompom-pirenena ao anatin’ny Malagasy tsirairay”, hoy I Andry Rajoelina. Mitohy hatrany, hoy izy, ny fanohanana ny fanatanjahan-tena Malagasy ary mariky izany ny nananganana ireo kianja miisa 30 manerana ny Nosy sy ireo gymnase miisa 18 izay efa vita sy an-dalam-pahavitana ankehitriny. Mikasika ny lalaon'ny Nosy andiany faha 11 dia nambaran’ny Filoham-pirenena omaly ihany koa fa ny foto-kevitra hijoroana amin'izany dia ny hoe "Fandresena ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana" (la victoire dans l'unité et la diversité). "Asehontsika manerana ny oseana indiana ny firaisan-kina, ny firaisampo, ny firaisan-tsaina. Raha vao ny fanevam-pirenena, raha vao ny voninahi-pirenena no resahana dia tokony fo mitempo iray ny malagasy rehetra." hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Zava-dehibe ny fankasitrahana ireo mpilalao mendrika sy nitondra avo ny voninahi-pirenena. Tsara kosa na izany aza ny mampahatsiahy, fa betsaka ny fampanantenana tsy tanterak’I Andry Rajoelina tamin’ny resaka fanatanjahantena? Mby aiza ilay hoe: eny amin’ny Tanamasoandro no hanaovana ny lalaon’ny Nosy izay namoahana makety samihafa? Aiza ilay Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena avo lenta izay ingahy Nicolas Dupuis notendrena hitantana azy? Aiza ho aiza ilay fananganana ivon-toerana goavana ho an’ny fanatanjahantena na koa Gymnase mahazaka olona 8000 eto Antananarivo nambara taorian’ny fahombiazan’ny Ankoay? Aiza ho aiza ilay tambi-karama ho an’ny mpanao fanatanjahantena? Aiza ho aiza ilay hasiana lalao isam-bolana Amboaran’ny Filoha ao Mahamasina taorian’ny CHAN?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT