Sport

Atleta mipetraka etsy Ampefiloha Midongy tsy mety mandray ilay solon-tsakafo 2.500 Ar isan’andro


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Mitaraina ho tsy ampy sakafo ireo atleta mipetraka etsy Ampefiloha, ampitan’ny sekoly ambony ENS handeha hiatrika ny lalaon’ny Nosy

 

 hotanterahina tsy ho ela atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy ny 19 ka hatramin’ny 26 jolay ho avy izao. Raha ny fanazavan-dRtoa  Lydia solontenan’izy ireo dia 2.500 Ar isan’andro no  vola omena azy ireo hatao solon-tsakafo raha efa nahatratra 3.000 Ar tamin’ny taona 2003.  Tsy ampy iainan’izy ireo akory io vola io nefa ny  fanazarantena mafy dia mafy sady tsy maintsy hatao isan’andro.  Midongy tsy nisy nety nandray io vola io avokoa izy rehetra, nanomboka ny alakamisy teo. Ankoatra izay dia mampitaraina azy ireo ihany koa ny fitaovana hampiasaina toy ny tennis izay efa rovitra avokoa ny an’ny ankamaroan’ireo vehivavy. Efa nisy moa ny fangatahana nataon’izy ireo tamin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT