Sport

Atleta manana fahasembanana Anisan’ny sangany eto Afrika ny Malagasy


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Nampahafantarina omaly talata 12 septambra tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny andinindininy mikasika ilay fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja ara-panatanjahantena ho an’ireo manana fahasembanana hotontosaina eto Antananarivo ny 14 ka hatramin’ny 17 septambra izao.

Araka ny fanazavana dia taranja miisa 4 no hifaninanana dia ny basikety an-tseza ho an’ny lahy sy vavy, ny tsipy kanetibe lahy sy vavy, Tenisy an-tseza ary ny tenisy ambony latabatra sy Boccia, izay ho an’ny vehivavy, mitovitovy amin’ny tsipy kanetibe ihany. Atleta miisa 160 avy amin’ny ligy 12 no ho avy ary izay tompondaka rehetra no handray anjara amin’ny fifaninanana ho an’ireo klioba tompondaka aty amin’ny ranomasimbe indianina hatao any Kaomoro amin’ny desambra. Anisan’ny sangany eto Afrika ireo atletantsika raha ny medaly efa azon’izy ireo hatramin’izay ary heverina ho afaka hifaninana amin’ireo firenena efa tompondaka eran-tany toa an’i Frantsa sy Japon raha tsara fitaovana. Ankoatra ireo efa mpanohana hatramin’izay avy eto an-toerana toy ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia tonga nanolotra fitaovana toy ny raketa sy baolina ary fanamiana fanatanjahantena ho an’ireo atleta ihany koa ny fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa CBM, izay notarihin’ny filohany Lila Ratsifandrihamanana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT