Sport

Atleta Malagasy nifaninana tany ivelany “50 Euros no mba vatsy 1 volana sy tapany”


  • Zoma 29 Jolay 2022

Nampita fitarainana ny mpivady nandray solontena malagasy nandray anjara tamina fifaninanana hazakazaka lavitra ezaka tany Grenoble, Frantsa.

Tsy nisy nanaraka izy ireo raha ny fitantarany. Sendrasendra no nahitana mpivady miisa 2 azy ireo ka nahatonga ireo farany mba nanao tan-tsoroka azy. fifaninanana iraisampirenena na “Trails international” moa no nataon'izy ireo, raha ny fampitam-baovao, ka 174 km miakatra amin’ireo tendrombohitra miisa 4 ao Grenoble. 1 volana sy tapany no azon’izy ireo nefa nafohezina. Ny 19 jolay teo no niainga ary jolay no niverina. 400 Euro no fandaniana misoratra ao amin’ny pasipaoron'izy ireo nefa 50 Euro no nomena ny tsirairay. Nisy olana tamin’ny niverina fa tsy lasa ireto atileta satria tsy vita fitiliana PCR. Nihemotra ny dia. 50 Euro ho an'ny sakafo hatramin’ny 27 jolay 2022 teo izany aloha no azo. Aiza ny federasionin’ny taranja hazakazaka sy ny fanjakana amin'itony toe-javatra itony? Ny mpikarakara ny fifaninanana no niantoka ny andro nijanonan’izy ireo tany an-toerana sy ny kojakoja ho entina hanomanana io hazakazaka io. Tsy ampy be dia be. Ny olona hitsena sy hanatitra azy ireo any amin’ny seranam-piaramanidina ary ny mba hanao tan-tsoroka na hanazatra dia tsy misy. Ireo malagasy miisa 3 mivady tao Grenoble no nanome sy mba nanampy azy ireo hatramin’ny nandehanany. Ahoana no ahazoana mamita ny fifaninanana hatramin'ny farany nefa tsy nomena azy ireo ny fitaovana ho entiny amin'izany? Nestrine Animant Mahery izay isan’ireo mpifaninana dia nahatana ny laharana fahaefatra foana hatreo Chamrousse na dia narary aza ny tongony. Taorian’izany nefa, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana, dia lasa tsy naharaka intsony na "hors time" ka raraka kanefa tokony ho vitany tsara. I Nelson kosa ,izay mpifaninana Malagasy faharoa, dia teo Chamrousse no najanon'ny mpanara-maso fahasalamana. Elvine no mpilalao Malagasy fahatelo izay tao Riouperoux no nijanona noho ny tsy fahampian’ny hazo fampitana fanilo na "bâton" no sady nandeha ranonorona be, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT