Sport

Atleta Malagasy hiatrika ny lalaon’ ny nosy 2019 Nosokafana ofisialy ny fampivondronana azy ireo


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Nosokafan’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena notarihan’ny minisitra Tinoka Roberto tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena

 

Mahamasina tamin’ny sabotsy 23 martsa 2019  teo ny fampivondronana an’ireo atleta Malagasy avy amin’ny taranja 14 handray anjara amin’ny lalaon’ny nosy andianay faha-10 « JIOI 2019 » ho tontosaina atsy Maorisy ny 19-28 jolay 2019. Nambaran’ny ministra tamin’ny lahateny fohy nataony fa tokony hanova toetsaina hoenti-miatrika ny ho fampandrosoana an’i Madagasikara amin’izay ny rehetra manomboka izao ka isika tanora  hoy izy no fanoitra mivaingana amin’izany ka hanandratra avo ny ambompom-pirenena. Ho fanombohana an’izany ny fiatrehanareo atleta an’izao lalaon’ny nosy 2019, hoy izy, ka tsy izy intsony ny hoe zava-dehibe ny fandraisana anjara fa ny tena zava-dehibe dia ny mitonda medaly volamena mody maro. Efa nambaran’ny filoham-pirenena ombieny ombieny izany fitondrana vokatra amin’ny atao izany. Naseho tamin’ity lanonana  tsotra ity koa ireo « ministres Coachs » isaky ny taranja rehetra hifaninanana any amin’ny JIOI. Raharaham-pirenena ny  fampivondronana atao, hoy ny ministra, ka mila firaisankinan’ny rehetra.  Napetraka  ary natambatra eny amin’ny hotely goavana eto Iarivo ireo altela rehetra mandra-piaingany ho any Maorisy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT