Sport

« Athletisme pour tous » Tontosa ny « course eau vive » andiany faha-6


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Olona 650 isa no niatrika an’ilay hetsika « Athletisme pour tous » andiany faha-6 nokarakarain’ny FMA « Federasion’ny Athletisme Malagasy » niarahany nanatontosa tamin’ny Eau vive ary nahazo tohana mavitrika tamin’ny orinasa Telma tamin’ny alahady 03 febroary teo.

 

 Ny hazakazaka nanodidina ny farihan’Anosy natokana hoan’ireo kalaza no nanombohana ny hetsika narahan’ny hazakazaka hoan’ny daholobe. Ny « Relais Inter-écoles »  izay nandraisan’ny sekoly niisa 6 anjara kosa no nanaraka avy eo ka norombahin’ny sekoly Akamasoa Andralanitra toy ny tamin’ny andiany farany indray ny fandresena ary nahazoan’izy ireo finday niisa 6 natolotry ny Telma. Ny mpianatry ny Lycée Technique Alarobia no niatana ny laharana faha-2 ary ny Lycée privé le Capucine no faha-3. Nisy koa ny fanolorana amboara manokana hoan’ireo mpandray anjara mendrika indrindra ka ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo no nahazo izany teo amin’ny sekoly, ny Otiv Tanà teo amin’ireo orinasa ary ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena teo amin’ny andrim-panjakana nandray anjara. Namaranana tanteraka an’ity andiany faha-6 ity  teny Anosy ny fiarahan’ny rehetra nanao Zumba nampitoniana toe-tsaina.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT