Feno 10 taona katroka amin’ity taona 2018 ity no nitsanganan’ny “Association sportive” AT2B na Andraisoro Tia Basket-Ball tantanan’ny filoha mpanorina azy, Fanja Rabenjamina.
Hankalazaina amin’ny fomba manetriketrika amin’ny alalan’ny hetsika 4 ny tsingerin-taona, araka ny fanapahan-kevitry ny mpikambana nivory tamin’ny faramparan’ny taon-dasa 2017 ka natsangana ny komitympikarakara ahitana olona 20 mianadahy izay tarihan-dRabenjamina Fanja ihany. Hisy, araka izany, ny andro fiaraha-mifaly izay niarahan’ny rehetra niala vola efa notontosaina tamin’ny 27 janoary lasa teo. Ny hetsika manaraka dia ny Fety de Basket e ! izay midika ho fanaovana fety sy fanaovana basket andiany faha-3 ka ahitana fety sy mozika ary dihy miaraka amin’ny lalao basket samihafa (Open lahy sy vavy tsy azo handraisan’ireo mpilalaon’ny N1 A afa-tsy 4, fifaninanana U-12, U-14, U-18, Coupe At2b) izay samy hazahoan’ny mpandresy amboara sy lelavola tsirairay avy ka 1.000.000 ar ohatra no homena izay tompondakan’ny fifaninanana Open sns… Ny hetsika faha-3 amin’ity fankalazana ny faha-10 taona ity dia Fiaraha-misakafo na Déjeuner ary faha-4 dia ny fananganana Gradin sy fefy ao amin’ny kianja basket At2b ao Andraisoro. Nambaran’ny mpandrindra ankapobeny ny tetikasa, Pascal Rasaony, teny Ampasampito omaly fa tsangam-baton’ny faha-10 taonan’ny AT2B ny fidirana amin’ny fifaninana rejionaly sy nasionaly rehetra ary koa ny fananganana”centre” na ivon-toeram-pampiofanana basikety ho an’ireo katitakely ao Andraisoro.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.