Vonona tanteraka ny fikambanana AT2B na Andraisoro Tia Basket-Ball amin’ny fikarakarana ny Fety de Basket-Ball (basikety, lanonana, mozika, dihy) hotontosaina amin’ny sabotsy 12 mey sy sabotsy 4 aogositra sy ny alahady 5 aogositra 2018,
raha ny nambaran-dRasaony Pascal mpitantana azy teny amin’ny biraon’ny Otiv Tanà agence Vonjy teny Avaradoha tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Eo amin’ny lalao basikety manokana dia ekipa senior lehilahy mihoatra ny 20 isa no handray anjara, 17 kosa ho an’ny senior vehivavy, 14 vétéran lehilahy, 15 vétéran vehivavy, 6 avy kosa hatreto ny sokajy U 12 sy U 18 lehilahy. Nahazo tohana mavitrika avy amin’ny Otiv Tanà agence Vonjy ny AT2B eo amin’ity sehatra ity fa notoloran’ity farany tableau 2 vaovao sy “banc de remplaçant” 2 ihany koa. Mbola ity agence Vonjy ity ihany koa no hanolotra loko hamaritana ny faritry ny kianja eny Andraisoro manontolo ary hanolotra koa ry zareo taratasim-bola mitetina 1 tapitrisa ariary ho an’ny ekipa senior lehilahy mivoaka ho mpandresy. Nanao izao izahay, hoy Rtoa Razanamparany Ony Taleny, satria ao anatin’ny faritra iadidianay Andraisoro misy ny AT2B ka hisarihana indrindra ny tanora sy mponina eny an-toerana hanatona hametra-bola sy hisambo-bola ihany koa ao amin’ny agence Vonjy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.