Sport

ASSM Hand-Ball 55 taona Nentina am-bavaka tetsy Amparibe


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Natomboka tamin’ny “tournoi” iraisam-pirenena notontosaina tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny 31 jolay-05 aogositra 2018 teo ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny ekipan’ny ASSM Hand-Ball.

 

 

 Lamesa fanomezam-boninahitra sy fisaorana an’Andriamanitra kosa no natao noho ny fitahiana an’izay lalana nodiavina izay sy mbola hitahiana koa ny andro manaraka rehetra, tetsy amin’ny Sekoly Md Misely Amparibe tamin’ny alahady 26 aogositra 2018 teo. Tokony ho tamin’ny taon-dasa 2017 no nanamarihana azy ity fa nahemotra amin’ity taona 2018 ity noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tamin’io. Nambaran’i Berthin Andriamiarinosy akanga sisa nanamborana tamin’ireo niara-nanorina an’ity ASSM Hand-Ball ity niaraka tamin-dry Frère Fazio, Père Ginan ary Alexandre Bertone tamin’ny taona 1962, fa mbola hisy lanonana fiaraha-misakafo hatao ho famaranana ny fankalazana. Marihina fa efa nahazo anaram-boninahitra in-23 ny senior ASSM, in-4 ny sokajy vehivavy ary in-10 ny tanora Hand-Ball Assm ka anisan’ny nitondra anjara biriky betsaka tamin’izany i Mohamed Saleh nodimandry tamin’ity taona ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT