Sport

ASSCA Avaradrano Hikarakara tsipy kanetibe ihany koa


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Hiitatra amin’ny taranja tsipy kanetibe ny fifaninanana karakarain’ny fikambanana ASSCA na Amitié Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano

 

 izay fikambanana mitaiza ny tanora tsy hirona any amin’ny zava-mahadomelina sy mamoafady ary ny fidonanam-poana. Hotontosaina eny Antanandrano ny 12 septambra 2015 ny andiany voalohany. Ho an’ny taranja kitra dia hanomboka amin’ny 19 septambra 2015 ny «Coupe de Noel 2015», ka hatao amin’ny 15 aogositra 2015 ny fizarana vondrona.

Andro telo eo sisa dia hiditra amin’ny dingan’ny famaranana ny andiany faha-XIV amin’ity fifaninanana kitra ity. Omby no hatolotra ny laharana voalohany eo amin’ny sokajy sénior sy vétéran ary ondry kosa no an’ny sokajy zandriny sy ny vehivavy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT