Sport

ASIEF Nosokafana ofisialy ny taom-pilalaovana 2018


  • Talata 10 Aprily 2018

Na dia efa nanomboka 2 volana teo ho eo aza ny fifaninanana ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires) solon’ny ASOIMI teo aloha, dia ny sabotsy 7 aprily teo, teto Analamanga teny amin’ny kianja HJRA Ampefiloha, no nanokafana manetriketrika tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2018 ho azy ireo.

 

 Ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet notrononin’ny SG-n’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny filoha nasionalin’ny ASIEF Atoa Jhon Love, no nisolotena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, nitarika ny lanonana. Nambarany fa hanokanan’ny fitondram-panjakana tetibola manokana ity fifaninanana ASIEF ity izay tsy antsoina intsony hoe fifaninanana intsony manomboka eto fa “entretien” fanatsaram-batana ho an’ny mpiasam-panjakana Malagasy. Nambarany koa fa any an-tanànan’i Toamasina no hanatanterahana ny “entretien national” an’ny ASIEF andiany voalohany amin’ity taona 2018 ity ka nomena tetibola mahatratra 60 tapitrisa ho amin’izany kosa ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena. Marihina fa nampifandrindrana sy natambatra tamin’ity lanonana ity ihany koa ny fanamarihana ny andron’ny fanatanjahantena maneran-tany sy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana ka nivoizana ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT