Sport

ASIEF Hikarakara Jeux Corporatifs ihany koa


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Taorian’ny fahombiazana azony tamin’ny fikarakarana ny hetsika nasionaly tany Toamasina tamin’ny volana septambra/oktobra 2018

 

 

 

lasa teo dia hikarakara « Jeux Coporatifs » andiany voalohany ihany koa ny ASIEF « Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires ». Eto Antananarivo no hanatanterahana ny hetsika amin’ny 7 sy 8 desambra ho avy izao ka taranja 7 ( baolina kitra, basikety baolina, volley-ball, pétanque, lawn tennis, ping pong, belote) no hifaninanan’ireo mpiasam-panjakana avy amin’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny sy ireo mpiasa avy amin’ny orinasa tsy miankina ihany koa. Ny tanjona, hoy ny filohan’ny Asief,  Botosera Jean Aimé « John Love »  tamin’ny zoma teny  Anosy, dia ny fahazoana fahasalamana ho an’ny daholobe « Santé pour tous ». Natao koa ity fifaninanana ity, hoy izy, mba hiarahan’ny rehetra mankalaza ny fetin’ny faran’ny taona 2018. Mbola ho matotra ihany koa ny ady amin’ny mpikarama an’ady efa nimasoan’ny ASIEF nanomboka tamin’ity taom-pilalaovana 2018 ity  ka angatahana ireo tompona orinasa tsy miankina mba ho tena mpiasa ao  aminy tokoa no halefany handray anjara amin’ny hetsika. Mandeha hatrany ny spaoro na eo aza ny raharaha politika malaza ankehitriny, hoy Atoa John Love, satria ny ASIEF dia manaja ny rafim-pitantanana misy rehetra eto amin’ny firenena sady mitazona ihany koa ny « ethique » sy « déontologie » ny asam-panjakana ary tsy manao politika politisiana sady tsy hanao an’izany mihitsy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT