Sport

ASIEF Famaranana tsipy kanetibe olo-3 miaraka Hotanterahina amin’ny faran’ny herinandro izao eny Ankatso


  • Talata 07 Aogositra 2018

Ny famaranana amin’ny fifaninana Tsipy kanetibe rejionaly Asief Analamanga natokana hoan’ny olon-droa miaraka ihany no tontosa teny amin’ny “Boulodrôme Ankatso” ny sabotsy 04 aogositra 2018 teo ka nahitana ny fandresen’i Yves sy Mparany avy ao amin’ny Oniversite Ankatso an’i Toky sy Manitra 11-8 avy amin’ny Mesupres.


Marihana fa nahatratra olon-droa niaraka 95 no nandray anjara tamin’ity sokajy ity.  Anankiray ihany kosa ny ankatoky ny famaranana vita teo amin’ny sokajy olon-telo miaraka noho ny fahamaizinan’ny andro izay nahatafita ny ekipan’ny Oniverite Ankatso ahitana an’i Nicola-Raoul-Mbola  miandry an’izay mandresy amin’ny ekipan’ny Minpop sy  Mesupres. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra amin’ity fifaninanana ity dia amin’ny faran’ny herinandro izao no hanatanterahana ny fanohizana an’io fifaninanan’ny sokajy olo-3 miaraka io.

Nanambara kosa tetsy ankilany izany Atoa Johny Love “Andrianarison Jean Aimé Botosera”, filoha nasionalin’ny Asief  “lalao fitaizam-batan’ny mpiasam-panjakana”, teny Ankatso tamin’io sabotsy 4 aogositra io fa tsy afaka handray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly Asief hatao any Tomasina amin’ny 26 septambra - 7 oktobra  2018 izao ireo ministera tsy nandray anjara tamin’ny fifaninanana rejionaly Asief nanerana ny nosy. Eto Antananarivo dia misy ministera iray tratran’izay trangan-javatra izay.

 

Ntsoavina Evariste

Atoa John Love teny Ankatso tamin’ny sabotsy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT