Sport

ASIEF any Toamasina Nivadika totohondry ny basikety


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Na dia tsy tafiditra amin'ny taranja hifaninan'ny mpiasam-panjakana ASIEF any Toamasina aza ny ady totohondry dia nahita izany omaly tao ao amin'ny kianja mitafo Soavita ireo mpijery.

Basket anefa no nandehanana ka nivadika ady totohondry ilay lalao. Tsy dia fahotana be anefa no niatombohan'ny ady fa tosika nivoaka ny faritra no nahatonga ilay mpilalao namaly bontana nandritra ny fifanandrinan’ny Ekipan’ny Kaominina Antananarivo sy ny Fitaleavan’ny fizahantany Mahajanga. Raikitra ny ady am-parombaka ka nanome sary ratsy ho an'ny ASIEF. Tsara marihina anefa fa ny Praiministra Ntsay Christian dia tonga mandray anjara amin'ny fifaninanana. Ny marina dia toa tsy voafehin'ingahy John Lova ilay hetsika izay mihalehibe isan-taona satria raisin'ireo mpiasam-panjankana ho fialan-tsasatra faobe sady baojo. Tsy misaraka amin'ireo mpandray anjara aty Toamasina ny fisotrotrosotrona eny amin'ny Miami. Rehefa mamo toa ireo andiana miaramila dia manankorontana. Izay ve ilay revy ?
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT