ASIEF 2026 ANY MANAKARA

Mpiasam-panjakana 12.000


  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

no mandray anjara

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alarobia 26 Aogositra maraina ilay hetsika ASIEF taona 2026 lanonana notanterahina teo amin'ny Kianja Monisipaly Manakara. Nanokatra izany tany an-toerana ny Filohan'ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michaël narahin'ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana mirahalahy dia ny kolonely Gervais Andriamiharintsoa sy ny kolonely Rampanarivo Solofoniaina. Mpiasam-panjakana miisa 12.000 no fantatra fa miara-mandray anjara amin'izany ka ho an'ny Ministera'ny mponina manokana dia miisa 78 izy ireo handray anjara amin'ny lalao baolina kitra ho an'olona miisa 7, ny tsipy kanetibe.... Ny ASIEF moa raha tsiahivina dia fifaninanana lalao ara-panatanjahantena natokana ho an'ny Mpiasam-panjakana isan-tokony. Hampivondronana sy hampiraisana ireo mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena no tena tanjon'ny hetsika isan-taona ka mifandimby mandray izany ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Nanao antso avo tamin'ny mpikarakara araka izany ny Filohan’ny Fanavaozana mba hitandrovana ny maha-izy azy ny ASIEF ka mba ho tena mpiasam-panjakana marina tokoa ireo mpandray anjara hisorohana ny hisian’ny “mercenaires” na mpilalao tsy mpiasam-panjakana ho tafiditra ao anaty fifaninanana. Saika ho hita mandritra ity ASIEF ity avokoa moa ireo sokajim-panatanjahan-tena azo ifaninanana misy eto Madagasikara. Haharitra 4 na 5 eo ho eo ny hetsika sy ny fifanintsanana.
Pati
Légende : Ny Filohan'ny Fanavaozana nanokatra ny lanonana tany an-toerana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT