Sport

ASCUT – Toamasina Vonona handray ny soso-kevitry ny rehetra hanatsarana zavatra


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

“Tamin’ny taona nivalona iny no nisian’ny vokatra ratsy indrindra teo anivon’ny ASCUT hatramin’izay 15 taona nisiany izay. Hanarina isika manomboka izao satria sarotra ny hanova ny efa napetraka. Miankina aminareo mpilalao ihany anefa ny fanovana sy fisandratana hapetratsika manomboka izao”,

  hoy ny filohan’ny fikambanamben’ny ASCUT (Association Sportive de la Commune Urbaine de Toamasina), Mbola Joseph Rajaonah, nandritra ny hafatra napetrany ho an’ireo mpilalao maro be eo anivon’ny ASCUT ankehitriny. Raha ny fanazavan’ny filohan’ity ekipa goavana ity dia ekipa tokana tsy nisy afa-tsy lehilahy ihany izy 15 taona lasa izay, saingy ankehitriny dia manomboka amin’ny U18 hatramin’ny “Veteran” ny ekipa izao ary ahitana ekipa vehivavy sy lehilahy ihany koa. Nanomboka ny volana jona 2005 nahazoan’ny ASCUT ny tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny N1B dia tsy nitsahatra intsony ny fahazoany izany, izay niitatra teo amin’ny sehatry ny ranomasimbe Indiana nitondra avo ny taranja basket-ball malagasy. Hahafahana manatratra ny fanovana sy fisandratana hapetraka eo anivon’ny ASCUT Toamasina dia manokatra varavarana izy ireo, satria “ekipantsika rehetra ny ASCUT, ka samy manana ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana azy ny mponin’i Toamasina manontolo, fa mpitarika fotsiny ny mpitantana”, hoy hatrany i Mbola Joseph Rajaonah. Nanatrika ny fihaonambe sy fifampiarahabana ihany koa ireo mpilalao tranainy sy ireo mpitantana lasa filoham-boninahitra sy mpanolotsaina ambony, Rafidimanana Narson sy Rakotomanana Gervais ary ireo mpilalao tranainy.


 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT