Sport

ASCUT Basket ball Tsy hitsangantsangana no haleha any Angola


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Tsy hitsangantsangana no handehananay any Angola hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny volana desambra ho avy izao, hoy Atoa Mbola Rajaonah filohan’ny klioba mpilalao basikety ASCUT na ny Association Sportive de la Commune Urbaine de Tamatave, fa hiaro ny voninahitry ny tanàna niaviany voalohany indrindra sy hiaro koa ny voninahi-pirenena sy ny voninahitry ny Oseana Indiana vao nahavoahosotra anay ho tompondaka farany teo.

 Efa tena vonona tanteraka izahay ara-tekika izany satria vao vita iny fiadiana ny ho tompondakan’ny Oseana Indiana iny dia efa nitohy indray ny fanazaran-tena ary anisan’izany koa ny hiatrehana ny dingana faharoan’ny fifaninanam-pirenena N1 A  hanomboka ny sabotsy izao. Efa  manomana ny resaka ara-bola koa izahay dieny izao, hoy ihany ity filohan’ny Ascut ity, mba tsy hisian’ny ahiahy hoe handeha… tsy andeha lava izao. Efa nandefa taratasy any amin’izy ireo izahay ary efa naneho ny fahavononana amin’izany aza ny East Academy sy  Carnivore mpanohana hatramin’izay. Efa nandefasana taratasy dieny izao koa ny any amin’ny fitondram-panjaka satria raharaham-pirenena izy ity raha ny marina. Mikasika ny lanonam-pandresena tokony hitsenan’i Tomasina ny tompondakany sy hanolorana ny tanàna ny amboara azo dia efa fomba fanao hatrizay izy io, hoy Atoa Mbola, fa noho ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara efa tena antomotra ity dia voatery hahemotra aorian’io fifaninanam-pirenena io izany. Amin’ny maha sehatra avo lenta izany fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izany dia nieritreritra ny hanatevina ny ekipan’ny Ascut izahay ka efa mandeha izao ny fifanarahana hiantsoana mpilalao mpila ravinahitra any ivelany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT