Sport

As Andry Bongolava “Ny Ajesaia no tokony ho saziana…”


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Somary nampalahelo kely anay As Andry ny valin-teny azo avy amin’ny “ Comité de discipline FMF” tamin’ny fandefasana tany amin’izy ireo ny “reserve de qualification” nataonay tamin’ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava

nampilalao an’i Yvan nanao “double appartenance” ary efa nosazian’ny Ligin’ny baolina kitran’i Bongolava nefa mbola voahosotra ho mpilalao mendrika 2019 tany Bongolava ihany ary mbola nambara fa tompondakan’i Bongolava 2019 ihany koa ny ekipan’ny Ajesaia nilalaovany. Voalazan’ny « Codis Fmf » ity fa manana  « mauvaise foi » na tsy madio fo ny As Andry , hoy ny filohany Andriamiarintsoa Hery Mamy, nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Ampasamadinika omaly alahady 24 febroary 2019. Tsy nitory izahay tany amin’ny fiandohan’ny fifaninanana, hoy izy, satria tsy mbola tsy nanana porofo mazava raha tsy taty amin’ny fanatanterahana ny « Poule des As ». Hampiakatra ny raharaha eo amin’ny sehatra ambonimbony kokoa hatrany amin’ny FIFA izahay raha ilaina ka takianay ny fampiharana ny lalàna manankery ka ny Ajesaia no tokony ho saziany fa  tsy Yvan, hoy  Atoa Hery Mamy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT