Sport

AS Adema Nahazo anaram-boninahitra faninefany


  • Zoma 09 Jolay 2021

Notontosain’ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo klioban’ny baolina kitra elita eto Madagasikara na CFEM omaly ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny amboara sy medaly ho an’ny tompondakan’i Madagasikara

 sokajy matihanina na Orange Pro League tamin’ity taona ity dia ny AS Adema. Tsiahivina fa efa ny 24 jona teo no nanomboka nitsotsotra niandry ity fotoana ity ireto mpilalao tantanan’ny mpanazatra Roro ireto rehefa tsy nahaova ny isa azony avy intsony ny ekipan’i Cosfa sy Ajesaia. Ny AS Adema araka izany no tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny fifaninanam-pirenena OPL 2020/2021, izany hoe, ho an’ny andiany faharoa. Izy ireo ihany koa anefa no nibata ny amboara voalohany tamin’ity OPL amin’ny endriny vaovao izay ahitana tarika atsimo sy avaratra na “conference nord et sud” ity izay mbola nitohy tamina tsotsoromamba na Playoffs mandroso sy miverina ity. Nampitaintaina hatramin’ny farany ny taom-pilalaovana, hoy ny filohan’ny AS Adema, ary porofo ireny fa mivoatra ny baolina kitra Malagasy. Anaram-boninahitra faninefany azon’ny AS Adema hatramin’izay nisiany moa ity OPL azony voalohany ity, raha ny fanamarihana hatrany.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT