Sport

As Adema Analamanga Tsy maintsy mandresy rahampitso raha te ho tompondaka


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Efa voalaza fa fihaonana hiankinan-java-dehibe eo amin’ny taranja baolina kitra Malagasy fiadiana ny ho tompondaka D-1 taona 2019 andro faha-7 farany eo amin’ny dingana faharoan’ny Thb Champion’s

 

 

 

 

League 2019 ny lalao hikatrohan’ny Fosa Juniors Boeny sy As Adema

Analamanga, etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, rahampitso zoma

07 jona amin’ny 2 :30 tolakandro. Efa voalazantsika fa mitetika ny

hanao pao-droa ny ekipan’ny Fosa Juniors ka hitady izay tsy maintsy

handresena ny mpifanandrina aminy. Ny As Adema kosa etsy an-kilany

dia voatery tsy maintsy hitady fandresena rahampitso raha te ho

tompondakan’i Madagasikara indray. “Efa tamin’ny taona 2012

izahay no tompondaka farany, hoy ny mpanazatra  an’ity ekipa ity i

Me Johnny Rakotomanana, izay nitarika ny fanazarantenan’ny Adema

faramparany tetsy Mahamasina omaly alarobia. Salama tsara sy vonombonona

avokoa ny boaikely ankehitriny, hoy izy, ka anjarako sisa no misafidy

izay hakarina kianja amin’ny zoma. Toromarika 2 mazava tsara no

nomeko azy ireo, hoy ity mpanazatra ity, dia ny tsy maintsy hafatesana baolina

any amin’ny mpifanandrina  baolina nefa koa tsy hamela ny Fosa hampiditra

baolina anaty  haraton’ny tena”.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT