Sport

As Adema Analamanga I Maître Rôrô indray no hanazatra azy


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Rakotondrabe Romuald Félix “Maître Rôrô” mpanazatra ny As Jet Mada teo aloha indray no nantsoin’ny mpitantana ny ekipan’ny As

 

 

 

Adema Analamanga hanazatra ity ekipan’Ivato Seranana  manomboka izao. Izy no hisolo an’i Jhonny Rakotomanana nanazatra ny As Adema teo aloha.  “Amin’ny maha ekipa lehibe sy malaza azy no nanekeko tsy am-pisalasalana  ny antson’ireo mpitantana ny As Adema hiara-kiasa aminy, hoy i Maître Rôro, ka vonona ny hitondra ny traikefako ao amin’ity klioba ity aho,  hanome aina vaovao ao anatiny hanatrarana ny tanjona irian’ny ekipa rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana Pro-League dia ny handrombaka ny anaram-boninahitra ho tompondakan’i Madagasikara indray ka mino aho fa ho tsara tokoa ny fiarahana ao amin’ity ekipa ity”. Marihina fa ny fanoloana mpanazatrana klioba iray dia mety atao foana mandava-taona fa tsy mba misy an’irony antsoina hoe : fotoanan’ny “Mercato” ho an’ny mpilalao irony.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT