Arnaud Randrianantenaina

Lasa kapitenin’ny El Gouna FC


  • Talata 18 Jona 2024

Efa ho tapitra ny lalaon'ny Barea nanoloana an'i Mali vao nampidirina i Arnaud Randrianantenaina.

Saika nahafaty baolina anefa izy na dia ampaham-potoana kely no nomena azy. Mafy anefa ity mpilalao avy any Ambositra izay nifandrombahan'ny Ajesaia sy ny CNaPS Sport ity. Re ary izao fa izy no lasa kapitenin'ny El Gouna, ekipa diviziona voalohany any Egypta. Ary matoa tonga amin'izany toerana izany dia porofo izany fa tena atokisan'ny mpanazatra izy. Ny kapiteny mantsy amin'ny ankapobeny dia ilay mpilalao mijanona eo an-kianja mandritra ny 90 minitra. Toeram-boninahitra izany kapiteny izany ary io no mety manokatra lalana ho an'i Arnaud any amin'ireo klioba lehibe any Eoropa. Ny andrasana anefa izao dia ny fifanitsanana eo amin'ny CAN 2025 izay hanomboka ny volana septambra ka raha mba omen'i Roro Rakotondrabe fahatokisana izy hampisehoany ny tena talentany fa matoa tody AM n'izao toerany izao dia tsara ny fomba hilalaovany indrindra fa mipetraka amin'ny sisiny havanana izy fa tsy eo ampovoany. Asa anefa sao dia ny mampijoro ireo zokiolona no tena mahamaika ny mpanazatra. Vokatra anefa no ilaina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT