Sport

Arnaud Randrianantenaina Hilalao ao amin’ny El Gouna FC - Ejipta


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Hilalao any Ejipta ihany koa dia ao amin’ny El Gouna FC ilay lohalaharana malagasy mbola ao anatin’ny fahatanorany tanteraka, Arnaud Randrianantenaina.

 Tontosa soamantsara, raha ny fampitam-baovao omaly, ny famindrana azy avy atsy amin’ny klioba nisy azy farany dia ny Jeunesse Sportive Saint-Pierroise atsy La Réunion ho ao amin’ity klioba niorina ny taona 2003 ity saingy efa mifaninana ao amin’ny tompondakan’i Ejipta sahady ity. 21 taona ankehitriny i Arnaud ary fanintelony amin’ireo mpilalao efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tamin’ny andron’ny mpanazatra Nicolas Dupuis hilalao atsy amin’ity firenena ity, araka izany, i Arnaud. Ankoatra azy moa dia isan’ny mila ravinahitra ao an-toerana koa ilay irakiraka afovoany Malagasy, Abel Anicet, izay milalao ao amin’ny Futur FC, sy ilay lohalaharana, Voavy Paulin, milalao ao amin’ny Ghazl El Mahallah.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT