Sport

Arnaud milalao any Ejipta Nampidi-baolina indray


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Nampidi-baolina indray niaraka tamin´ny El Gouna, klioba divizionina voalohany amin’ny taranja baolina kitra hilalaovany ao Ejipta, ny faran’ny herinandro teo ny lohalaharana malagasy, Arnaud Andrianantenaina.

Ity no baolina faharoa ho azy tamin´ity taona ity, raha ny angom-baovao voaray tao anatin’ny fifaninanam-pirenena Ejiptianina tato anatin´izay 3 volana izay. Teo aloha raha tifitra tokana na tsy misy isaky ny lalao no vitany dia niakatra ho 6 sy 7 isaky ny lalao izany. Ankoatra izay dia matetika mahazo tolotra avy amin´ny namany ihany koa ity lohalaharana mbola herotrerony ity raha toa ka somary nahalana izany teo aloha, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Araka ny nambaran´ny mpanazatrany dia nitombo ny fahamatorana teo amin´ny fomba filalao ary ilay baolina voalohany nampidiriny andro vitsy lasa izay dia nanamafy ny fahatokisan’ny namany azy ka nampiakatra ny fahatokisan-tenany koa. 3 volana mialohan’ny lalao hifanandrinana amin´ny ekipam-pirenen’i Centre Afrique moa ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea ankehitriny ho fiadiana ny tapakila amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na CAN ka dia ho hita eo indray ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra Nicolas Dupuis na hiantso azy na tsia.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT