Sport

Arizaka Raoul Rabekoto - FMF “Hanao fihaonambem-pirenena momba ny baolina kitra isika”


  • Talata 03 Septambra 2019

Tontosa omaly alatsinainy 2 septambra tolakandro teny amin’ny foiben-toeran’ny FMF teny Isoraka ny famindram-pahefam-pitantanana teo amin’ireo mpitantana vaovao tarihan’ny filohany Arizaka Raoul Rabekoto Romain, hitantana mandritra ny 4 taona,

 

 

 

sy ny “Comité de normalisation FMF” notarihan’ny filohany Atallah Beatrice izay nitantana ny FMF nandritra ny 9 volana katroka. Azo ambara tsy am-pisalasalana fa nahatanteraka ny asa rehetra nampiandraiketan’ny FIFA anay izahay, hoy Rtoa Atallah Beatrice, mirary soa ho anareo mpitantana vaovao ny FMF hahavita be amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra Malagasy.Nambaran’i Atallah Beatrice ihany koa fa tsy nisy izany resaka kolikoly izany nandritra ny fifidianana ny filohan’ny FMF, fa nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Misaotra an’Andriamanitra sy misaotra ny rehetra tia baolina kitra tsy an-kanavaka ny tenako, hoy ny teny voalohany nambaran’Atoa Raoul Rabekoto, taorian’ny nahavitan’ny famindram-pahefana ary misaotra manokana an’ireo filohana ligy 22 nametraka fitokisana taminay mpitantana vaovao. "Hiezaka hanao izay tratry ny herinay hanao tsaratsara kokoa noho ny efa vita teo aloha" izahay, hoy izy ary ho laharam-pahamehana amin’izany ny fanohizana ny fikarakarana ny fihaonan’ny Barea Chan amin’ny lalao fifanintsanana CHAN 2020 dingana faha-3 hikatrohany amin’i Namibie amin’ny 20 na 21 na 22 septambra sy 18 na19 na 20 oktobra 2019 ho avy izao. Laharam-pahamehana iray hafa ihany koa ny “Conférence nationale” ho an’ny baolina kitra Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT