Sport

Arizaka Raoul Nampitandrina ny fandrahonana sy ny hosoka


  • Alakamisy 01 Aprily 2010

Nitafatafa tamin’ireo mpanao gazety omaly ny kandidà Arizaka Rabekoto Raoul Romain anisan’ireo enina nilatsaka hofidiana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).

Tsiahivina fa ny lehilahy no nanambara am-pomba ofisialy voalohany hirotsaka amin’io toerana io ny 9 janoary 2009 saingy niaraha-nahita ny fihemoran’ny fifidianana vokatry ny krizy ary hatao any Fianarantsoa indray izany ny sabotsy 3 aprily izao. «Tsy mihemotra izany ny tenako fa mitazona hatrany ny teny nomeko», hoy ity kandidà ity. Marihina fa mpikambana eo anivon’ny Fmf i Arizaka Raoul. Arosony ho filoha lefitra kosa i Papa Soulé, filohan’ny fikambanana Zanak’avaratra izay misahana taranjam-panatanjahantena maro any amin’ny faritr’i DIANA. Nampitandrina ireo mpitantana ny federasiona amin’izao fotoana ity kandidà ity sy ny ekipany mba tsy hanao fifidianana tsy ara-drariny sy tsy mangarahara. «Mandeha mantsy izao, hoy izy, ny fampihorohoroana amin’ny antso amin’ny finday izay tonga hatramin’ny fandrahonana ho faty». Tsy eken’ity ekipa ity koa ny fanamparam-pahefana natao tamin’ny ligin’Analamanga ka nahavery zo ireo mpikambana tao aminy ary nanaiky rahateo ny tetikasa «donakafom-pirenena» hanangonana ny hevitry ny maro hanatsarana ny kitra izy ireo. Nomarihin-dRaoul fa «nasiana olana ireo kandidàn’ny ligy tokony hifidy azy» ary nambarany fa «tsy tokony hitsabaka amin’izao fifidianana izao ny fitondrana na hanohana kandidà satria heno fa hihaona amin’ireo mpifidy avy amin’ny ligy 22 ny minisitra mialoha ny fifidianana». Anisan’ireo tapa-kevitra hanohana ity kandidà ity moa i Jao Jean, mpikambana ao amin’ny FAT ary solombavambahoaka teo aloha, voafidy tao Antsohihy. Notsipihin’ity farany fa «tsy misy idiran’ny politika ny fanohanany. Tokony hojerena ny faritra rehetra ka izay tena mahay sy matanjaka no halaina ao amin’ny ekipam-pirenena toy ny tamin’ny andron’i Shnidttger fa efa lany andro ny resaka ‘cause-côtière’. Ny voninahi-pirenena fa tsy faritra mantsy no arovana». Hafana tokoa arak’izany io fifidianana io sy ny fiandrasana ny valiny ka amin’ny sabotsy izany mifankahita.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT