Sport

Arizaka Rabekoto Raoul Efa ampy traikefa amin’ny fitantanana baolina kitra


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

9 ireo kandida navoakan’ny CE Foot-ball Malagasy fa hiatrika ny fifidianana ho filoha vaovao hitantana ny FMF « Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra » izay hotanterahina amin’ny 3 novambra 2018 ho avy izao.

 

 

 

Iray amin’izy ireo Atoa Arizaka Rabekoto Raoul. Azo lazaina efa tena ampy traikefa tanteraka ny lehilahy eo amin’ny fitantanana ny baolina kitra Malagasy fa izy no filoha lefitra am-perinasan’ity rafitra ity ankehitriny. Hainy tsara, araka izany, ny ambaindain’ny fitantanana ny baolina kitra Malagasy ary efa voasahany koa ny fifandraisana amin’ny rafitra iraisam-pirenena FIFA sy CAF noho izay andraikitra notanany izay. Manampy betsaka azy eo amin’ny fahaiza-mitantana ny maha Tale jeneralin’ny orinasa CNaPS azy izay nivoizany sy nampitainy tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny « Culture de résultat » izay midika ho fibanjinana lalandava ny fahombiazana eo amin’ny atao. Efa nahavita be ary mbola  hanohy hatrany ny fampiroboroboana ny baolina kitra Malagasy sy  hampisondratra izany ho avo dia avo izy, araka ny nambarany tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy nivantana, rehefa tonga eo amin’ny fitantanana an’ity rafitra ity. Marihana fa izy no kandida nifaninana tamin’ny filohan’ny FMF taloha, Atoa Ahmad, tamin’ny fifidianana filohan’ny FMF farany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT