Sport

ANS – Cadres sportifs Mpiofana 80 indray no horaisina


  • Zoma 12 Martsa 2010

Taona faharoa sahady ! Hotontosaina ny 6 sy 7 aprily izao ny fifaninanana faharoa handraisana ireo mpiofana ho tompon’andraikitra ara-panatanjahantena (cadres sportifs stagiaires) ho an’ity taom-pianarana vaovao 2010 ity izay mizara sokajy dimy.

Hiisa 80 no fitambaran’ireo mpiofana isan-tsokajiny horaisina. 40 ireo mpanabe éducateur niveau I ka ny diplaoma BEPC miampy fanamarinana fa nandalo kilasy famaranana na manana catégorie III amin’ny asam-panjakana no takiana ary tokony ho eo anelanelan’ny 18-25 taona ireo mpiadina. 15 kosa ireo mpanabe éducateurs niveau II ka ny diplaoman’ny bakalorea na catégorie IV amin’ny asam-panjakana no takiana (18-35 taona). 10 kosa ireo mpanazatra niveau III horaisina ka ny bakalorea na manana catégorie VI amin’ny asam-panjakana (18-45 taona). Ny sokajy farany dia ny mpanazatra ambony na entraîneurs sportifs supérieurs niveau IV ka 15 no horaisina ary ny diplaoman’ny licence na raha manana catégorie VIII amin’ny asam-panjakana no takiana (18-45 taona).

Ny 24 martsa izao no farafandraisana ireo antontan-taratasy fahafahana miatrika ny fanadinana fifaninanana izay alefa mivantana any amin’ny ANS Ampefiloha na any amin’ireo tompon’andraki-paritra ara-panatanjahantena (DRS) na ny fanabeazam-pirenena (DREN)… Foibe enina no hanaovana ny fifaninanana amin’ireo daty voatondro dia amin’ireo renivohi-paritany eto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Toliara, Toamasina ary Fianarantsoa. Io izany no fifaninanana faharoa fandraisana mpiofana ho tompon’andraikitra ara-panatanjahantena izay hamoahana ireo mpamolavola eny anivon’ny fiarahamonina na sivily ka hifameno sy hifanindran-dalana amin’ireo mpampianatra ara-panatanjahantena eny anivon’ny sekoly havoakan’ny ENS/EPS.

 
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT