Sport

ANS Ampefiloha Nahazo « Cyber » sy « Salle de musculation » vaovao


  • Alarobia 10 Aprily 2019

47 taona aty aoriana, sambany vao nisy fanavaozana tao amin’ny ANS « Academie Nationale des Sports » etsy Ampefiloha dia ny fampitaovana ny efitranon’ny mpianatra nahitana kidoro miisa 167 sy TV LED ecran plat miisa roa.

 

 

 

Tao ihany koa ny fanomezana tsato-by ho an’ny baolina kitra sy ny hand-ball. Tsy nohadinoin’ny minisitra Tinoka Roberto ihany koa ireo mpianatra tsirairay ao amin’ity Academie ity ka notolorana fanamiana mitovy (survêtement sy T-shirt) avy. Nijery ifotony ny fanavaozana natao ny  minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Malagasy sy ireo mpiara-miasa aminy omaly talata 9 aprily 2019 ary nitokana ny “salle de musculation  « RANITSE » izay misy karazana fitaovam-panatanjahantena ari-fomba sy tena raitra tokoa sy ny « CYBER-ETUDE EMERGENCE » izay manana tanjaka internet ambony natokana ho an’ireo mpiofana ao amin’ny ANS. Fiaraha-miasa amin’i Korea Atsimo  avy amin’ny tetikasa K POP no nahazoana nanatanteraka an’ireo. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Ambasadaoron’ny Korea Atsimo SEM Lim Sang-Woo izay nisaotra manokana ny fitondrana Malagasy nanaiky ny hanatanterahana ny tetikasa sy ireo solontenam-panjakana maro samihafa ary ireo filohana federasiona fanatanjahantena maromaro misy eto Madagasikara. Namaly ny hetahetan’ireo mpianatra tokoa izao fanavaozana sy fanomezana teny amin’ny ANS izao, araka ny teny nambaran’ny solontenany,  ka nisaotra sy nankasitraka ny fitondram-panjakana izy ireo.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT