Sport

ANS Ampefiloha Mizotra miandalana ny fanarenana sy fanatsarana


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Ny orinasa “Eau Capitaine” tarihin’ny taleny, Rasolomamonjy Johanesa, no misahana ny fikarakarana sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa ao amin’ny ANS Ampefiloha nanomboka ny taona 2010. Maro ireo fanamboarana sy fanarenana efa natao ary mbola maro ny miandry.

Anisan’ny efa natao ny fanoloana sy fanamboarana ireo “carreaux” manodidina ny dobo filomanosana. Io orinasa io no mikojakoja sy manadio ny rano ao amin’ny dobo. Isan-kerinandro eo ny fanadiovana sy fanasiana akora fanafody samihafa toy ny “hypochlorite de calcium” sy “sulfate d’alumine” hisorohana ireo otrikaretina sy lomotra. Arakaraka ny loton’ny rano ny fanadiovana ary indraindray in-droa isan-kerinandro mihitsy izany, araka ny nambaran’ny talen’io orinasa io. Io orinasa io ihany koa no nanao fikojakojana ireo fotodrafitrasa hafa ao amin’ny ANS ka  efa vita ireo vavahady be fidirana sy tranokelin’ireo mpiambina, ny fanamboarana ny any anatin’ireo efitrano fandraisana mpanao fanatanjahantena, indrindra amin’izao ankatoky ny Lalaon’ny nosy izao, manamboatra ireo fantson-drano simba rehetra na ny dobo na ireo trano fitobiana. Ankoatra ireo dia mandoko ireo rindrina ka anisan’ny asa ato ho ato ny ao amin’ny faritry ny dobo filomanosana.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT