Ankoay lehilahy sy vehivavy

Noraisin’ny filoham-pirenena teny Ambohitsirohitra


  • Talata 03 Desambra 2024

Betsaka ny tanora tompondaka maneran-tany fa vitsy no mahazo sitraka amin’ny fanjakana

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Mitovy amin’ny «subvention» na famatsiana omena ny kaominina ihany, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao. Izay miaraka ihany no mahazo. Nanoloana ny fandresen'ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja Basket 3x3 dia noraisin'ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly 2 desambra 2024, teny amin'ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra ny Ankoay sokajy lehilahy sy vehivavy, izay notolorana marim-pakasitrahana niaraka tamin'ireo mpanazatra ary ny ekipa teknika rehetra. Nampitambatra ny malagasy iraimanontolo ny fandresen'ny Ankoay, hoy ny filoham-pirenena ary manakoako manerana ny kaontinanta afrikanina ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny taranja Basket 3x3, sokajy lehilahy sy vehivavy. Fandresen'ny vahoaka malagasy iraimanontolo ity fandresena ity, hoy hatrany ny filoham-pirenena, nandritry ny fandraisana azy ireo teny amin'ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra. Mitana ny laharana fahefatra i Madagasikara, raha ny filaharana teo anivon'ny FIBA na ny federasionina iraisampirenen’ny taranja Basketball, eto amin'ny kaontinanta Afrikanina. Misy ireo mpilalao izay mandrafitra ny Ankoay avy ao amin'ny polisim-pirenena sy eo anivon'ny zandarimaria izay notoloran'ny fitondram-panjakana "Avancement spéciale" na fankasitrahana manokana sy omena fiofanana eny anivon'ny "centre internationale" na ivon-toerana iraisaimpirenena manomboka ny volana martsa 2025 ary ho tolorana mari-boninahitra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT