Sport

Ankoatra ny lalao “danse 261” fikarakaran-dry zareo dia manome fampianarana informatikan’ny tanora ao anatin’ilay tetikasa


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

''Informatique pour tous" iarahany amin’ny « fondation telma » eny amin’ny cyber class

 eny Mandrosoa Ilafy ny Ong Ny Sahy tarihan-dRamamonjisoa Haja.

Hotontosaina amin’ny sabotsy 26 sy alahady 27 aogositra 2017 ho avy izao any amin’ireo kianja maro eto amin’ny nosy ireo lalao toy ny any Tsiroanomandidy, Ambatondrazaka, Fandriana, Fianarantsoa, Ihosy, Mahajanga, Manakara, Port Berger, Toamasina ary etsy Carion sy Mahamasina ireo lalao  1/16 lalana amin’ny Telma Coupe de Madagascar 2017.

Nambaran’ny FMF na ny Federason’ny Baolina Kitra Malagasy ofisialy tamin’ny zoma 18 aogositra teo no mbola hitanana an’ilay mpanazatra Frantsay, Nicolas Dupuis, hitantana ny Barean’i Madagasikara indray ka hanatratra ny tanjona hahazoan’ny ekipam-pirenena Malagasy ho any Kameronina hiatrika ny CAN Total 2019. Marihana fa nanomboka tamin’ny martsa 2016 ity mpanazatra ity no efa nitantana ny Barea. 

 

Hohavaozin’ny ekipan-dReal Madrid ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ilay mpanazatra Frantsay,  Zinédine Zidane sy ireo mpilalao 6 miaraka aminy “Marco Asensio (2023), Raphaël Varane (2022), Dani Carvajal (2022), Marcelo (2022) ary i Karim Benzema (2021)”. Hambaran’ny Real ofisialy tsy ho ela izany vaovao izany. 

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 23 aogositra ilay mpilalao sady kapitenin’ny ekipa anglisy Wayne Rooney (119 sélections, 53 buts) fa tapa-kevitra ny hisotro ronono amin’izao faha-31 taonany izao izy rehefa naka ny hevitry ny fianakaviany, ny mpanazatra ny ekipan’ny Everton misy azy ary ny hevitr’ireo namana akaiky azy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT