Sport

Anicet sy Metanire Tsy afaka nihazo an’i Madagasikara


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Amin’ny fo feno alahelo no ilazako anareo fa tsy afaka higadona an-tanindrazana rahampitso ny tenako.

Satry hahita anareo sy ny fianakavina hizara hafaliana. Nantsoina maika dia maika hody any Bulgarie aho hamonjy ny fanomanana ny lalao miverina amin’ny ''qualification Ligue des Champions" amin’ny alarobia ho avy izao, hoy i Abel Anicet Andrianantenaina mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara. Mpilalaon’ny PFK Ludogorets Razgrad ny tenany, izay andrandrain’ny kliobany fa hitondra herijika sy fandresena ho azy ireo. Tongava maro mitsena ireo maherifontsika rahampitso eny Ivato. Inoako fa mbola hihaona tsy ho ela isika, hoy ity irakiraka afovoan’ny ekipam-pirenena Malagasy ity tao amin’ny tambajotra facebook. Ankoatra azy, dia tsy ho avy ihany koa i Romain Metanire noho ny fiantsoan’ny Kliobany, dia ny Minnesota United any Etazonia, ka nihazo hatrany any an-toerana. Izany anefa tsy atao mahakivy fa hifaly isika rehetra rahampitso, hoy i Lalaina Nomenjanahary na i Bolida.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT