Sport

Angelo Andriamanantena Mbola mafy saingy tsy mety voaantso ho Barea


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Lasan'ny AS Excelsior ny alahady teo ny Amboaran'ny tompondaka teo

amin'ny baolina kitra atsy La Réunion. Baolina ohatry ny baolina rehetra ary tsy nandresy 4 noho 1 ny Saint Pierroise akory ny Excelsior fa ny tiana hatongavana dia mbola nahafaty baolina indray i Angelo Andriamanantena tamin'io lalao io. Izy koa anefa no nampiditra baolina betsaka indrindra tamin'ny taom-pilalaovana lasa iny sady nahazo ny tompondaka tany. Tsy mbola voantso Barea anefa i Angelo Andriamanantena noho ny antony tsy mazava. Io mpanafika any aloha io anefa no tena lesoka ho an'ny Barea. Mbola tsy mahafehy izany toerana izany na i Arnaud Randrianantenaina izay milalao any Egypte diviziona faharoa sy Hakim Abdallah. Raha samy haka Abdallah ihany anefa maninona tsy ilay Abdlallah any Strasbourg ? Aboubacar Ali Abdallah no tena anarany ary tena mbola zandrikely vao 20 taona nefa efa tena atokisan''ny mpanazatra. Tsy nisalasala i Patrick Viera nampiditra an'i Ali Aboubacar. Efa lasa lamaody rahateo ny mampijoro ireo mpilalao latsaky ny 18 taona. Ary izay fomba izay izao no nahatafita ny FC Barcelone any amin'ny ampahaefa-dalana ny Ligue des champions. Ny antsika anefa toa jerena fotsiny ohatry ny tany nahalavoana ireo zandrikely U23 noraisin'ny UFICASM an-tanana. I Tony Robert sy Kalvin Paul izao efa ela no tokony nijoro. Sa moa miandry efa mahazo taona vao tena mafy ny Malagasy. Porofon'izany dia mbola i Sedera sy Bapasy anie no vodilaharana ao amin'ny Excelsior ity nefa dia mbola tsy azo atao na inona na inona. Zay ilay Gasy nefa ahoana no handresena lahatra an'i Roro.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT