Sport

Andy Pelmard Mety ho lasa Barea ihany koa


  • Alarobia 10 Jona 2020

Paozipaozin’ny hisihisy ihany ny fiovana eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara aorian’izao ahamehana ara-pahasalamana izao.

 

 

 

 

 Tsy miato ny fitrandrahan’ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, mpilalao vaovao na dia eo aza ny ady amin’ity aretina COVID 19 ity. Fantatra ho efa mahaliana azy ihany koa ankehitriny ary nanirahany irony iraka mpanadihady na « agent » irony ilay vodilaharana milalao ao amin’ny OGC Nice, divizionina voalohany frantsay. Mandeha ny fandresen-dahatra rehetra mba handrisika ity tovolahy 1,79 m, 20 taona ity mba hanaiky handrafitra ny Barea. Manana zom-pirenena frantsay izy, raha ny ofisialy amin’ny maha mpikitra hatreto saingy malagasy ny reniny raha toa ka Cap verdianina kosa ny rainy. Tsy mbola voaantso handrafitra amina ekipam-pirenena mihitsy izy raha ny fantatra hatreto aloha ka malalaka ho azy noho izany ny safidy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT