Misaotra an’ireo mpilalaon’ny Barea manokana sy ny mpanazatrany aho amin’izao nahatafakaran’izy ireo amin’ny lalaon’ny 1/4-dalan’ny fifaninanana CAN 2019 tontosaina aty Egypte izao, hoy ny Filoham-pirenena Malagasy Andrinirina Rajoelina omaly tany amin’ny kianjan’Alexandria any Egypte.
Tena nampihetsika ny fientanam-pirenen’ny Malagasy manontolo ny vitan-dry zareo, hoy izy, amin’izao fahatafakarana amin’ny 1/4-dalana izao ary hinoana fa hitondra any amin’ny fandrombahan’ny Barea ny amboaran’ny CAN 2019 mihitsy izany. Ho fiaramanidina 2 indray no hitondrana mpijery baolina Malagasy aty Egypte amin’ny manaraka, hoy izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.