Sport

Andry Rajoelina « Atao ato amin’ny kianja Barea ny matso »


  • Alarobia 16 Jona 2021

Nitsidika ny kianja Barea etsy Mahamasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny delegasionina maro notarihiny omaly 15 jona hariva.

 

 Nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa eny an-toerana no hanatanterahana ny matso fanamarihana ny fetim-pirenena nahazoana ny fahaleovantena amin’ny 26 jona. Efa vita 90% ny asa fanamboarana sy fanovana, ary isan’ny asa mbola atao ny kianja fanaovana fanazaran-tena sy ny kianja iraisana ao Mahamasina. Nambaran’i Andry Rajoelina, fa miandry ny fahavitan’ny asa tanteraka ny fitokanana. Tsy kianja amin’ny kianja azy fotsiny io, fa toerana mampiombona ny Malagasy, endriky ny Barea, ary izany no nanaovana azy amin’ny endriky ny lokom-pirenena, raha ny fanambaran’ity Filoha ity. Loko volom-boasary an’ny antokony kosa ny ankajo nasehony ny mpilalaon’ny Barea omaly tetsy Mahamasina. Nandray sy nanome voninahitra ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Filoham-pirenena tetsy Mahamasina rahateo ny Ekipam-pirenena Barea notarihin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana. Notsipihin’i Andry Rajoelina hatrany, fa manara-penitra ny kianja, ary notsindriany na iza na iza hanakiana azy, fa mipetraka ho lovan’ny taranaka ho avy ny fotodrafitrasa. Zava-dehibe ny fahavitana asa tahaka izao, ary tsy any no olana, fa hoe : mba mitovy amin’ny fihazakazahana manao azy ireny ve ny fihazakazahana amin’ny famahana ny olana ara-toekarena sy sosialy mahazo ny firenena Malagasy ? Tsy ny kianja natsangana no miteraka fandrosoana. Rehefa milamina ny toekarena sy ny fihariana eto Madagasikara mandeha ho azy ny resaka kianja, fa tsy hoe : hatontona any ny volam-panjakana sy ny herim-pon’ny mpitondra, fa ny zavatra hafa tena iankinan’ny aim-bahoaka mila ampadeferina.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT