Sport

Andry Rabesaotra “Ny baolina kitra dia mijanona ho baolina kitra ary fanatanjahantena”


  • Alatsinainy 03 Mey 2021

Lasa resa-be sy adihevitra tanteraka ety amin'ny tambazotran-tserasera ilay fampiatona amin'ny asany ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy Nicolas Dupuis.

 

 

Samy manana ny hitondrany ny adihevitra ny rehetra, misy ireo tena mpanaraka sy mahay ny tontolon'ny baolina kitra. Manome ny antony ara-teknika ny amin'ny tokony hitazomana na hanalana ity mpanazatra ity. Misy indray kosa ireo mitondra ny adihevitra ny amin'ny zava-bitan'i Nicolas Dupuis, ohatra hoe : mpanazatra voalohany nitondra antsika tany amin'ny CAN izy, nampiray ny Malagasy izy. Indray mandeha ve no manta vary hoy ny sasany, sy ny maro tsy voatanisa. Mazava ho azy fa misy ihany koa ireo mitondra ny adihevitra amin'ny resaka politika sy ady seza, tsy azo ihoarana ity farany amin'ny firenena andala-pandrosoana toa antsika. Ho an’i Andry Rabesaotra, mpanaraka, mpankafy, mpitia kitra malagasy dia fanatanjahantena no resaka eto ary baolina kitra ilay iadiana hevitra. Tsy misy resaka tora-po, hoy izy, raha jerena amin'ny lafiny teknika. Lalao efatra farany nataon'ny Barea, tsy nahita fandresena isika. Votsotra ny tapakila andehanana any amin'ny CAN. Ratsy io vokatra io mazava ho azy. Vokatra tsara anefa no tadiavina matoa mifaninana. Raha mijery ireo firenena hafa, tsy haka alavitra isika fa i Côte d'Ivoire niray vondrona tamintsika. Vao nanomboka ny fifanitsanana, nahita izy ireo fa ho ratsy ny tantana, novainy haingana ny mpanazatra. Iny hitantsika iny, nahita vokatra tsara izy ary voalohany tao amin'ny vondrona mihitsy. Ny tiana ho tenenina, tsy tokony ho adihevitra amin'ny sehatra avo lenta toy izao izany fanoloana mpanazatra izany. Ny fomba nanalana azy angaha no azo iadiana hevitra raha hiady hevitra saingy iny koa aza mbola betsaka zavatra mifamahofaho. Fa ny tena mahazendana, hoy i Andry Rabesaotra dia ny mahita ny fanehoan-kevitr'ireo milaza ho mpanohana ny Barea. Mpijery baolina ianareo fa tsy mpanohana izany. Ny mpanohana dia tsy manisy fepetra, tsy mametraka hoe rehefa ianona ihany izahay vao manohana fa rehefa tsy izy dia izahay tsy mila. Firenena sy voninahim-pirenena no resaka eto. Tsy olona iray no tohanana fa ilay firenena. Misy fetrany ny zavatra rehetra, ary misy fotoana koa mila mihemotra kely mijery ny tsy mety. Mahazo miady hevitra isika, hoy i Andry Rabesaotra mahazo malahelo, mahazo tezitra ary mahazo manao izay tiantsika rehetra atao saingy kosa aoka izany rehetra izany tsy hanala ny fitiavan-tanindrazana misy eo amintsika, aoka tsy hampizarazara ka hampiady an-trano antsika, aoka tsy hanala ny fitiavantsika ny barea ary tsy hanakana mihitsy ny fanohanantsika ny ekipam-pirenena. Na iza na iza no eo, ho an'ny tanindrazana foana no hiadiany.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT