Sport

Andro voalohan’ny OPL 2021-2022 Niondrika an-jaridainany ny Uscafoot


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Niondrika tamin’ny isa 2 noho 4 tetsy amin’ny kianjan’Alarobia ny sabotsy teo ny ekipan’ny kaominin’Antananarivo na ny Uscafoot raha nihaona tamin’ny Fosa Junior nandritry ny andro voalohan’ny fifaninanam-pirenena matihanina ho

 an’ny divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra na ny Orange Pro League 2021-2022. Ny ampitson’iny ihany moa dia nitodi-doha ho any Mahajanga ireo mpilalao hifantohana amin’ny lalao manaraka. Azo lazaina ho nifehy tanteraka ny lalao ny Fosa teto satria dia tany amin’ny minitra faha 13 no nampidiran’i Drogba ny baolina voalohany ho an’ny ekipan’I Mahajanga. Niezaka nanenjika izany ny ekipan’ny KAR ary azo lazaina ho nody ventiny ihany ny rano nantsakaina teo amin’ny minitra 37 rehefa nahazo penalty izay nampidirin’i Tafita. Nampiseho ny maha mbola sangany azy anefa ny Fosa nandritry ny fizaram-potoana faharoa ka nifandimby nampidi-baolina ry Rinjala teo amin’ny minitra faha 56 sy Jean Yves teo amin’ny minitra faha 65 ka nahatonga ny Fosa hitarika tamin’ny isa 1 noho 3. Niezaka nampihena ny elanelan’isa ny ekipan’ny kaominina ary dia nahita baolina niditra tamin’ny alalan’i Heritiana ihany teo amin’ny minitra faha 69 saingy tsy ela akory fa iray minitra monja tao aorian’izay dia efa nahitsin’ny Fosa tamin’ny alalan’I Tsiry iny tandrevaka iny ary dia io isa 2 noho 4 io no nisarahan’ny roa tonta. Any Mahajanga indray, araka izany no mifanala vela.
J. Mirija
Legende: Tetsy Alarobia ny sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT