Sport

Andro manerantanin’ny atletisma Nanjaka tanteraka ny sekoly St Gariel


  • Talata 17 Mey 2016

Hetsika maro no nanamarihana ny andro manerantanin’ny atletisma (World Athletic Day) andiany fah-27 tany Mahajanga ny sabotsy teo.

Natomboka vao maraina tamin’ny “lomay bavata” izay ny hazakazaka rodobe niainga teo amin’ny Bord nihazo ny kianja Rabemananjara, halavirana 3km ary nahitana ny fandraisan’anjaran’ny lehiben’ny faritra Boeny sy ny talem-paritry ny tanora sy fanatanjahantena any an-toerana. Noraisina tamin’ny fampisehoana hira sy dihy netimpaharazan’iny faritra iny ny fahatongavana teny amin’ny kianja. Nandritra ny lahateniny ny filohan’ny federasiona malagasin’ny atletisma dia nanipy teny tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana fa taninketsan’ny atletisma i Boeny nefa ny fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin’izany. “Mila jerena ny piste eto amin’ity kianja ity satria eo amin’ny fiaingana misy couloirs 6 nefa ery ambadika ery lasa 4 na 2 mihitsy aza sisa ka manimba ny taranja izany”.

Fifaninanana telo karazana no natao teo amin’io kianja io, natomboka tamin’ny “Kids athletics” natokana ho an’ireo mpianatry ny sekoly any an-toerana izay toromariky ny IAAF entina hampisehoana ireo fototry ny taranja nahitana ny fifaninanana “sprint haies”, “saut croisé”, “lancée de ball à génou” ary ny “formule 1”. Lah-1 tamin’io ny EPP Charles Renel, lah-2 ny EPP Barday ary lah-3 ny EPP Fiarovana. Mpianatra 45 avy amina sekoly telo no niatrika azy io. Taorian’io ny fifaninanana ho an’ireo sokajy “minime” avy amin’ny sekoly ka tafavoaka lah-1 hatrany ny kolejy St Gariel ho an’ny zazalahy sy zazavavy izay nahazo fitambarana medaly volamena 9, volafotsy 3 ary alimo 4. Lah-1 io sekoly io tamin’ny zazalahy nahazo fitambaran’isa 99, lah-2 ny CEG Marcoz Ampisikinana nahazo isa 65 ary lah-3 ny kolejy Victoire Rasoamanarivo nahazo isa 55. Lah-1 hatrany ny St Gabreil ho an’ny zazavavy nandrombaka isa 94, lah-2 ny CEG Marcoz Ampisikinana (42) ary lah-3 ny kolejy Victoire Rasoamanarivo (21). Fifaninanana natokana ho an’ireo klioba kosa ny sokajy “cadet” sy cadette”. Lah-1 indray ary nahazo medaly volamena 3, volafotsy 2 ary alimo 2 ny St Gariel, lah-2 ny sekoly Asovira nahazo medaly volamena 3, volafotsy 2 ary alimo tokana ary lah-3 ny Fihezama nahazo volamena sy volafotsy iray avy niampy alimo 3.

Loka “goodies” maro avy amin’ny IAAF no nozaraina tamin’ireo ankizy mendrika tamin’ny fifaninanana ireo toy ny fitaovam-pianarana, “gourde”, “bracelet”, diplaoma niampy rano avy amin’ny Star.  Namaranana ny fankalazana ny folakandro ny hetsika fiarovana tontolo iainana ka zanakazo “honko” 1 000 fototra no novolena teny amin’ny “mangrove” eny amin’ny SIB Ambalamanga.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT